Tongasoa eto amin'ny Nirina e.V.

Grundschule Ampamoha

Ny fikambanana „Nirina e.V.“ dia fivondronan'ny olona izay manana tanjona ny hanohana sy hitady hevitra ary hanao tetikasa ho an'ny fanampiana ireo Malagasy izay miaina ao anatin'ny fahasahiranana sy mipetraka any amin'ny toerana saro-dalana.

 

Ireo olona miaina anatin'ny fahantrana any Madagasikara dia mila ny firaisan-kinan'ny olona tsara sitrapo mipetraka aty amin'ny firenena mandroso mba hanampy azy amin'ny fandresena ny fahantrana ka ilay anjara biriky kely entin'ny tsirairay dia efa tena zava-dehibe tokoa. 

Fahantrana

Die Nationalstraße RN5 von Ambilobe nach Vohemar (Januar 2015)

Madagasikara dia voasokajy anisan'ireo firenena farany mahantra eran-tany. Araka ny statistika tamin'ny taona 2013 dia eo amin'ny laharana faha-145 amin'ny firenena miisa 187 no misy azy. Mihoatra ny 90 isan-jaton'ny mponina no mivelona amin'ny vola latsaky ny 2 US-Dollar isan'andro. Ny akamaroan'ireo olona mahantra dia mipetraka any ambanivohitra. Ny 10 isan-jaton'ny mponina kosa dia azo lazaina fa manakarena ary mitana ny antsasaky ny harena misy. 

Misongadina fahasahiran'ny mponina izay miseho amin'ny tsy fahampian'ny fanafody na ny fitaovana ara-pahasalamana, tsy fananana trano fonenana ara-dalana, tsy fahampian'ny rano fisotro madio sy ny herinaratra ary faharatsian'ny fari-piainana. Ny faharatsian'ny lalana dia manakana ny mponina tsy hamonjy tsena na toeram-pitsaboana na toeram-pianarana. Ankoatr'izany dia simba ny tontolo iainana ateraky ny fahantrana. Ny rivo-doza izay mandalo any Madagasikara isan-taona dia tsy mandrava ny fotodrafitrasa fotsiny fa manana fiatraikany ratsy koa eo amin'ny toe-piainan'ireo olo-mahantra. Matetika ny aretina no mahatonga ny fahantrana satria tsy ny fanafody ihany fa eo ihany koa ny fandaniana amin'ny fikarakarana ary eo koa ny tsy fananan'asa eo amin'ny fianakaviana misy marary.

Tetik'asa fanampiana

Ny toe-tsaina "ampiana mba hanampiana ny tena" dia tafaorina tsikelikely any Madagasikara. Mazana manko dia heverina ho fanomezana na tsolotra foana ny atao hoe "fanampiana" amin'ireo olona mandray izany. Kanefa tsy dia izay loatra fa ny fikambanana Nirina e.V. dia manao fanampiana amin'ny lafiny ara-bola fotsiny ho an'ireo izay manana finiavana hiezaka tokoa sy ho an'ireo izay tena sahirana saingy manaiky fa fanampiana kely entina hanosehana azy hivoatra fotsiny izany.

 

Misy fepetra raisina amin'izany: ny tetik'asa rehetra ataon'ny Nirina e.V. dia anjara biriky raisiny ao anatin'ny fotoana voafetra. Raha toa manko ka tsy ferana izay endrika fanampiana atao izay dia manjary lasa misy fiantraikany ratsy eo amin'ireo olona ampiana ka lasa zatra miantehitra foana amin'izay ireo hany ka tsy manome risika sy ezaka azy ireo intsony hivoarana hiala amin'ny fahantrana.

Ein Schüler in Ampamoha, Januar 2015

Araka izany dia tsy mety ny miankina be loatra fotsiny amin'izay fanampiana avy aty ivelany. Ny fomba hanatanterahana ny tetik'asa izany dia manana endrika tosika na fanombohana fotsiny ihany.

 

Sarotra ny miainga amin'izay zavatra iray izay amin'ny herin'ny tenany ho an'ny ankamaroan'ny olona koa ny fandraisanao anjara dia zava-dehibe amin'izany.

Manentana anao ary mba hanohana! Ny fanampiana azo dia ho ampitainay mankany amin'izy ireo. Ary manome toky fa miandraikitra ny fandrotsahana ireo famatsiana azo miampy ny fandraisan'anjaran'ireo mpikambana ao amin'ny kaontin'ny Nirina e.V. ary izany dia entina ampiasaina araka ny tokony ilana azy tokoa.

 

Ireo ao amin'ny birao sy mpikambana ao amin´ny Nirina dia miasa an-tsitrapo. Mba ahafahana manatratra ny tarigetra ara-dalana dia miara-miasa amina mpikambana fanampiana ny tena sy amina mpikambana mahatoky eo anivon'ny fiangonana ary koa amina fikambanana tsy ara-panjakana izay samy manan-tanjona mitovitovy avokoa.