Fizarana fanampiana

Hevitra

Tamin'ny 24 jolay 2019 dia nanontany anay i Faniry Rasoanaly raha misy vondron'olona azo omena fanampiana any Madagasikara satria misy olom-pantany te handefa zavatra (toy ny akanjo, kiraro, sns ...) ho an'ny olona sahirana. Tsy te hanome vola moa ireo olona mahalala-tanana ireo. 

1. Iza no afaka hitondra izany makany Madagasikara?

Benja Razafimandroso sy Thierry Ratsimbazafy, izay niasa tao amin'ny Masoivoho malagasy eto Allemagne dia nanaiky fa hitondra ireo baoritra misy ny entana rehefa hiverina hody any Madagasikara ry zareo. Isaorana izy roalahy ireo fa nitondra maimaipoana ny entana satria hitany fa asa soa no natao. 

2. Iza ny olona haka azy any amin'ilay nitondra ny entana?

Hery Ramanandafy dia namana efa ela no nahafantaranay azy. Izy dia mipetraka any Ilafy ary mpanolo-tsaina amin'ny biraom-piangonana FJKM Imeritsiafindra Filadelafia. 

3. Iza no omena azy any Madagasikara?

Rehefa noresahana i Hery Ramanandafy dia nilaza izy fa omena ireo ankizy ao amin'ny Rantsana Fanantenana ao amin’ny fiangonana FJKM Imeritsiafindra Filadelafia ireo entana ireo. Ny fiangonana moa dia 15 km eo ho eo raha miala any Ilafy. 

Rantsana Fanantenana

1. Inona moa io fikambanana Rantsana Fanantenana io?

Ny Rantsana Fanantenana dia Rantsana eo ambany fiahian'ny Sampana Vokovoko Manga izay reniny ao amin'ny fiangonana FJKM Imeritsiafindra Filadelafia. 

2. Inona no tanjon'ny Rantsana Fanantenana?

Ny zava-kendrena amin'ny asa tanterahana dia ny fitaizana sy fanabeazana ireo ankizy sy ny tanora ireo ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy ; hifady sahady ny zava-mahamamo sy ny zava-mahadomelina rehetra. 

3. Iza ireo ankizy ao anatin'ny Rantsana Fanantenana?

Any ambanivohitra moa io fiangonana FJKM Imeritsiafindra Filadelafia io dia amin'ny ankapobeny dia zanak'olona sahirana satria tambanivohitra daholo, mpamboly sy mpiompy ny ankamaroany. Tsy mpamboly pro akory na mpiompy pro fa ny ankabeazany izany dia sahirana.

4. Inona no atao ao amin'ny Rantsana Fanantenana?

Maro ny asa fanabeazana ny ankizy ao anatin’ny fikambanana toy ny fianarana Soratra Masina sy Tafika Masina, dihy, hira ary fitsangatsanganana.

 

Marina fa fikambanana ao anatin’ny fiangonana ny Rantsana Fanantenana, izany anefa tsy midika hoe fampianarana Soratra Masina fotsiny no atao ao fa voalohany ny Soratra masina, faharoa kosa dia ny fampianarana azy ireo ny faharatsian'ny zava-mahadomelina rehetra toy ny paraky sy ny sigara, rongony ary ny taoka. Mampianatra azy ireo tsy handray ireny zava-mahadomelina ireny dia ny manaraka izany ny resaka sosialy sy fialam-boly. Tena ilaina ny fialam-boly mba tsy hahatonga ireo ankizy sy tanora handray zava-mahadomelina.

Fitsangatsanganana

Tena ilaina ny mitsangatsangana satria mbola betsaka mantsy ny ankizy any no tsy mbola nahita ny Antananarivo nefa dia 20 km miala ny Renivohitry Madagasikara io toerana io.

 

Rehefa mivoaka lavitra dia mila fiara maromaro ka voatery tsy maintsy mangataka fanampiana ny Rantsana Fanantenana. Misy fotoana koa anefa tsy mandeha lavitra fa toy ireo amin‘ny sary ireo izao dia tao amin'ny rovan'Ambohimanga ihany ka nandeha an-tongotra ny ankizy. 

Krismasy

Mitady famatsiam-bola ny Rantsana Fanantenana rehefa ho tonga ny krismasy mba hahafahana mizara kilalao ho an'ireo ankizy ireo. Tamin'ny krismasy iray izay anefa dia i Hery Ramanandafy mivady no nikarakara ny sakafo ho azy ireo fa nisy olona hafa nanome kilalao. Izy mivady no niantoka ny laoka tamin'izay fa ny ankizy rehetra dia samy nitondra vary ka nandrahoina tao ampiangonana.

 

Taorian'izay dia nisy foana ny sakafo rehefa krismasy ka tsy izy mivady daholo intsony no miantoka ny laoka fa misy alaina ao amin'ny caisse. Manampy arakaraky ny vola ilaina sisa izy mivady fa ny kilalao kosa no omen‘ny olona malala-tanana ao ampiangonana.

5. Andraikitr'i Hery Ramanandafy mivady ao amin'ny Rantsana Fanantenana

Ny hitantsika eo amin'ny sary dia i Hery Ramanandafy sy i Toky vadiny. I Toky Ramanandafy no prezidan'ny Rantsana Fanantenana nanomboka ny taona 2011 ka hatramin'izao. Ny fikarakarana ireo ankizy beazina ireo no tena andraikitra ataon’izy mivady. Izy mivady moa tsy dia manam-bola fa manampinampy kely eny fotsiny fa ireo malala-tanana no tena manome betsaka. 

6. Ilain'ny Rantsana Fanantenana ve ireo fanampiana?

Hoy i Hery Ramanandafy hoe : „ilain'ny ankizy aty foana ireny fanampiana ireny ary mahafaly azy mihitsy ny mandray azy. Ny ankamaroan'ny aty mantsy dia tena tantsaha daholo, misy ihany no efa mba misy atao kely nefa tena mbola azo lazaina fa mahantra ny mponina aty. Misy mpanome ohatr'izany koa mantsy aty ambanivohitra indraindray dia zarainay amin'ny ankizy tazaina ao amin'ny Rantsana Fanantenana.“

Fanangonana ireo entana

Nalaina ireo entana tany amin'ireo olom-pantatr'i Faniry Rasoanaly ary nampiana ny entana tato an-trano. Ny 1 aogositra 2019 dia efa vonona ireo cartons nalefa any Madagasikara.

Efa imbetsaka izahay no nanome zavatra olona, izay te handray ny akanjon'ny ankizy tato an-trano, ny sasany nariana fotsiny satria tsisy nandray nefa mbola tsara izy ireny saingy tsy atonona azy intsony. Hoy foana aho hoe raha manana possiblité aho dia alefako any Madagasikara ireto na dia hoe homena ny ankizy any fotsiny aza. Ny olona hitondra ireny entana ireny no tena olana. Lay douanes mantsy mety mamely mafy ka hitaky taxe dia aleo tsy manahirana olon-kafa. Ny mahamety an'ity projet ity dia satria manao démenagement i Benja Razafimandroso sy Thierry Ratsimbazafy ka nataony tao anaty Conteneur ireo cartons nalefa tany Madagasikara.

Nahazo kilalao betsaka tany amin’ny voisin ny zanakay, mba tsy hanariana azy ireny rehefa atsy ho atsy dia nanontaniana ilay ankizy ato an-trano raha foiny omena ireo ankizy any Madagasikara ireo kilalaony ireo. Nanaiky izy ary nahafaly azy ny hoe omena ireny ankizy ireny ny kilalaony.

Nanangona stylos izahay isaky ny misy occasion. Matetika moa rehefa misy fetin’orinasa ireny dia misy stylos maimaipoana. Tonga ity ny fotoana nahafahana nandefa ireo stylos ireo any madagasikara dia faly izahay. 

Fandefasana ireo entana

18 septambra 2019 vao tonga ilay conteneur nitondra ny entan'i Benja Razafimandro. Cartons miisa telo moa no nalefa teto.

26 novambra 2019 kosa no tonga ilay conteneur nitondra ny entan'i Thierry Ratsimbazafy. 

 

Ireo entana moa no afaka nalefa satria tsy maintsy mieritreritra ireo olona nitondra azy koa. Manana ny entana tiany entina makany koa ry zareo ka tsy misy toerana betsaka ao anaty conteneur-ny. Misaotra an-dry zareo izay nanaiky nitondra ireo cartons ireo. 

Fahatongavan'ireo entana tany Madagasikara

11 desambra 2019 no nalain’i Hery Ramanandafy tany amin’i Benja Razafimandroso ireo cartons miisa telo nalefa tamin’ny conteneur tamin’ny volana septambra. 

Efa hatramin'ny voalohany moa no noresahana foana ny hoe omena ireo sahirana ireo fanampiana nomena ka tamin’ny 6 janoary 2020 dia nitantara i Hery Ramanandafy fa nangalany ireo kilalao. Nomeny ny zanak'ireo agent de securité sy ny zanaky ny gardien ary ny zanaky ny mpamafa trano tao ampiasany. Mahavariana ny fahaizan'ireo olona ireo mitantana satria mbola 130.000 Ar hono ny karaman-dry zareo isam-bolana nefa tsisy congé sy tsy misy ostie. 

Tamin'ny 31 janoary 2020 no niantso an'i Hery Ramanandafy i Thierry Ratsimbazafy fa tonga ilay carton nalefa tao anaty conteneur, 

Fizarana ireo entana tany Madagasikara

9 Febroary 2020 no nozaraina tamin'ny Rantsana Fanantenana ireo entana, izay nisy kilalao, akanjo, kiraro, sns...

Ireo kilalao madinika sy ireo stylos moa izany dia nozaraina ka samy mahazo daholo ny tsirairay. 

Nampita ny fisoarana lehibe ny Fiangonana, tamin‘ny alalan'ny Pasitera satria tonga teo koa izy. Pasitera koa dia nametraka ny tso-drano. Ho tahin'ny Tompo amin'izay rehetra atao

Ny akanjo sy ny kiraro koa dia tsy maintsy natao fifaninana.

Fa tena faly ny ankizy tonga tao, na ireo vavy kely aza faly nahazo fiara kely.

Ny ankamaroan’ireo entana moa dia saika ho an'ankizilahy kely. 

Ny nampalahelo fotsiny dia maromaro ireo ankizy no tsy tonga satria nisy mianatra any amin'ny sekoly katolika mantsy dia tsy maintsy nivavaka tany amin'ny katolika hono ireo mpianatra any tamin'io alahady io. Efa nolaizana mialoha anefa ry zareo fa izay tonga eo ihany no mahazo. Sarotra be ny hizara ireo fanampiana amin'ny andro hafa ka tsy maintsy nozaraina tamin'ny ankizy izay tonga teo.

Fa ireo kilalao lehibe tao anaty baoritra kosa dia tsy maintsy natao fifaninana kely noho izy tsy ampy zara. 

Nandray fitenenena fohy i Hanta Rakotoharimanana. Ny nolazainy an'ireo ankizy dia hoe fianarana ny zavatra rehetra, ireny fanomezana ireny dia nokajiana tsara tsy ho simbasimba mba hahafahana mizara azy dia mba kajio tsara tsy ho simbasimba. Nampiany koa hoe nahazo maimaimpoana ianareo dia mba mianarà koa mizara. Izay raha fintinina ny teny nataony taorian'ny fisaorana an'Andriamanitra moa izany mazava ho azy. 

Tantaran'ny Sampana Vokovoko Manga sy ny Rantsana Fanantenana eto amin'ny FJKM Imeritsoafindra Filadelfia Ambohimanga Rova

1 - Ny sampana Vokovoko Manga (SVM)

Ny sampana Vokovoko Manga dia Sampana iray amin'ireo sampana valo misy ao anatin’ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM).

 

Ny foto-kevitra hijoroany eto amin'ny sahan'ny FJKM dia ny hirotsaka an-tsehatra amin'ny ady amin'ny toaka sy ny zava-mahadomelina rehetra. Ny tanjona dia ny hahatonga ny sokajin'olona rehetra (lehibe, tanora, ankizy, na lahy na vavy) hifady tanteraka (Abstinence totale) ny fisotroana toaka, ny fihinanana paraky, ny fifohana sigara ary ny zava-mahadomelina rehetra toy ny rongony sy ny «kath».

Maneho izany amin ny alalan'ny «fanion » sy ny fanamiana mampiavaka ny SVM.

Ny SVM FJKM dia nijoro ny taona 1970. Ahitana Rantsana efatra ao anatin’izany dia ny Rantsana Fanantenana sy Rantsana Ray aman-dreny, Rantsana vehivavy ary Rantsana mpamily.

2 - Ny Sampana Vokovoko Manga FJKM Imeritsiafindra Filadelfia

Niorina tao anatin'ny Fitandremana Imeritsiafindra Filadelfia ny SVM ny volana Novambra 2002 ary nitsangana tamin'ny fomba ofisialy ny volana Avril 2003 izay nahitana mpikambana 27 tamin’izany fotoana izany. Efa nanana ny biraony nitantana azy. Nijoro teny foana izy toy ny fikambanana tsotra fotsiny fa ny taona 2010 vao notokanana niaraka tamin’ny Foibe SVM sy ny SVM Synodam-paritany Iarivo Avaradrano.

 

Nahatratra 180 ny mpikambana tamin’izay fotoana nanokanana azy izay. Ankizy sy tanora ny 140 tamin’izy ireo. Ireo ankizy sy tanora ireo no atao hoe Rantsana fanantenana. Manomboka amin'ny telo taona ka hatramin'ny 24 taona ny sala-taonan'izy ireo.

3 - Ny Rantsana Fanantenana Imeritsiafindra Filadelfia

Ny Rantsana Fanantenana dia Rantsana eo ambany fiahian'ny Sampana  Vokovoko Manga izay reniny. Ny zava-kendrena amin'ny asa tanterahana dia ny fitaizana sy fibeazana ireo ankizy sy ny tanora ireo ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy ; hifady sahady ny zava-mahamamo sy ny zava-mahadomelina rehetra. Maro ny asa tanterahana amin’izany toy ny fianarana Soratra Masina, dihy, hira, fitsangatsanganana, Tafika Masina.

 

Ny taona 2009 no nanomboka nijoro sy namory ankizy ny SVM reniny. Misy mpiandraikitra ireo ankizy Rantsana fanantenana ireo ka nandeha niofana tany amin’ny Foibe SVM izy ireo nandritry ny herintaona. Miisa dimy vavy ireo  mpiandraikitra nanolo-tena ireo ka ny iray amin’ireo dia ny filohan'ny SVM eto amin’ny Fitandremanana hatramin’izay ka hatramin’izao.

 

Ny taona 2010 no notokanana niaraka tamin'ny SVM reniny ny Rantsana Fanantenana eto amin'ny fitandremana ka mankalaza ny faha-folo taonany izy amin'ity taona 2020 ity. Ny fotoam-pankalazana izany faha-folo taona izany dia ny volana Jolay 2020 ho avy  izao.

Ny lalana nizoran'ny Rantsana Fanantenana nandritra izay folo taona izay

Sarotra dia sarotra tokoa ny làlana nodiavina vao nahatratra izao fahafolo-taona izao. Tsapa tanteraka anefa ny fanampian'Andriamanitra amin'ny fotoana rehetra ary tsy tara fa ara-potoana daholo.

Ny toerana misy ny Fitandremana Imeritsiafindra Filadelfia dia ambanivohitra, toerana mbola tsy nisy jiro, mandeha lalan-tany ary fijaliana rehefa fotoam-pahavaratra. Ireo ankizy sy tanora izay beazina dia zanaky ny olona sahirana sy tena tsy manana ny ankabeazany satria zanaka tantsaha toy ny mpamboly.

Atao mitovy anefa ny fitondrana azy ireo ka 100 Ariary ny adidiny aloha isam-bolana tany am-piandohana ary 200 Ar izany ankehitriny.

Sary tamin'ny fahadimy taonan'ny fikambanana  

Tsy ny rehetra anefa no mahefa izany fa maro na ny atsasany no mahavita izany ao anatin'ny herin-taona. Araka izany dia tsy manana fidiram-bola  betsaka ny Rantsana Fanantenana fa rehefa misy aleha na zavatra atao dia mangataka fanampiana amin’ireo malala-tanana. Mba ahazoan'izy ireo toy ny  fanomezana toy ny kilalao na fitafiana ihany koa.

Ankehitriny dia miisa 97 ny ankizy sy tanora beazina ao amin’ny Rantsana Fanantenana.

Kommentar schreiben

Kommentare: 1
  • #1

    Fanie (Dienstag, 19 Mai 2020 07:09)

    Mahafinaritra!
    Mankasitraka @ fanazavana tsara sady mahafa-po ny fizotrin' ny asa fanampiana. Misaotra be dia be koa ireo zay nifanampy sy nifanohana tamin'ny fanatanterahana izany.