Tetikasa

Ny tetikasa tanterahan'ny Nirina e.V. amin'izao fotoana izao dia ny fanampiana ireo mpianatra sahirana ao amin'ny EPP Ankadinandriana

Nirina e.V. dia fikambanana kely iray alemà-malagasy izay manana tetik'asa sy faniriana goavana ary manome hasiny ny asa fifanampiana amin'ny fampandrosoana.

Aminy dia ny olona ihany no mandray fanapahan-kevitra hoe: "inona avy no zava-dehibe ho amin'ny fampandrosoan'ny rehetra?"

Resy lahatra Nirina e.V. fa tsara indrindra raha anontaniana izay tena ilainy ny olona mba ahatongavana miaraka amin'ny tanjona.

Manohana amin'ny alalan'ny tetik'asa madinika izay mety hahasoa ireo olona Nirina e.V. Izany dia mba ahafahana manetsika ireo olona ireo hanatsarany ny toe-piainany amin'ny herin'ny tenany sy hihatahany lavitra samirery ny fahantrany.  

Ny asa tanterahina ao an-toerana any Madagasikara dia voarafitra sy voapetrak'ireo fikambanana malagasy sy tsy miankina amin'ny fanjakana.

 

Toy izao ary ny endriky ny fanampiana:

  • ny tetik'asa dia mirafitra ho toy ny fanampiana hanampiany ny tenany. Fanombohana izany.
  • Ny tetik'asa dia voafetra na ara-potoana na ara-bola mba tsy hampiankina azy ireo maharitra.
  • Ny tetik'asa dia takiana mba hotohizan´ireo olona nampiana raha vao tapitra ny asa fanohanana azy ireo.
  • ny fepetran'ny tetik'asa dia ireo zavatra tena ilaina sy laharam-pahamehan'ireo olona any an-toerana.
  • Mila mahefa ny anjara birikiny amin'ny tetik'asa ny olona nahazo fanohanana ary izany dia mampitombo ny fampitahana amin'ny tetik'asa sy mampitombo ny finiavan'ireo mpamatsy vola.

Tarigetran'ny fikambanana ny ahatsapana ny fihenana maharitra ny fahantran'ny mponina any an-toerana indrindra fa ny any ambanivohitra. Amin'ny alalan'ny fandraisana fepetra mivaingana hanatanterahana ny tetik'asa fanampiana ho amin'ny fanampiany ny tenany no ahafahantsika mamaha ny olana mianjady ireo fianakaviana mahantra ireo.

 

Tanterahina amin'ny karazana fanohanana maro ny tetik'asa toy ny tetik'asa

  • fanatsarana ny fampiofanana araka asa
  • fanatsarana ny toe-pahasalamana sy ny ara-tsakafo
  • fanatsarana ny tontolo iainana.

Ireo vondron'olona mahantra no ampiana amin'izany indrindra moa fa ny ankizy, ny tanora, ny fianakaviana sy ny tantsaha

 

Irinay ho tratrarina izany tarigetra izany amin'ny alalan'ny:

  • fandrafetana sy ny fanatanterahana ny tetikasa fifanampiana amin´ny fampandrosoana sy
  • ny fanatanterahana ny fepetra ara-tsosialy 

ao amin'ny toerana hanaovan'ny Nirina e.V. ny tetik'asa.