EPP Ankadinandriana

Tamin'ny zoma 22-09-2017 no tonga tany amin'ny EPP Ankadinandriana ny mpikambana ao amin'ny Fanoitra Soa sy Mbolamamy Ratsiresena nihaona tamin'ny talen'ny sekoly Razariarisoa Norotahiana ary nanome ireo fanampiana ny fianakaviana sahirana ara-bola. Izany fanampiana izany moa dia ny "droit d'inscription" sy ny kojakojam-pianarana (fournitures scolaires) ho an'ireo mpianatra miisa 17, izay sahirana ara-bola ny ray aman-dreniny.  

 

Azo lazaina fa vola kely no nalefanay Nirina e.V. raha ampitahaina amin'ny vola lany aty Allemagne amin'ny fampianarana ny ankizy saingy tena zava-dehibe tokoa izany ho an'ireo fianakaviana nampiana ireo. Izao dia porofo fa tsy voatery handany vola be vao afaka manao tetikasa iray. 

 

Naneho ny hafaliany ireo fianakaviana ireo, fanampiana izay ahafahan'ireo ankizy ireo hanohy ny fianarana amin'ity taom-pianarana ho avy ity.

 

Fisaorana lehibe koa no omenay Nirina e.V. ny fikambanana Fanoitra Soa sy i Mbolamamy Ratsiresena, izay tena nanampy be dia be tokoa. Marihana fa tsara sy matotra ny fiaraha-miasa amin'ny Fanoitra Soa ka isaorana betsaka azy izany.

Hoy i Felana Rakotomanana (prezidan'ny Fanoitra Soa): Voazara ny "kit scolaire" avy amin'ny fikambanana Fanoitra Soa sy ny "frais de scolarité" avy amin'ny Nirina e.V. saingy dia mbola nahemotra ny taom-pianarana amin'izao fotoana izao nohon'ny valan'aretina pesta.

Manantena isika fa mbola ho avy ny fanombohan'ny taompianarana  ho an'ireto ankizy ireto. Hanara-maso ny ho tohin'izany ny Association Fanoitra Soa.

Ny hitantsika eto amin'ny sary eto ambony, avy any ankavia miankavanana dia i Felana Rakotomanana, Seheno Ranoarivony, Mbolamamy Ratsiresena, Hanta Rakotoharimanana, ny sefom-pokontanin'ny Manjakamiadana ary ny talen'ny sekoly Razariarisoa Norotahiana.

Ny hitantsika eto amin'ny sary (avy any ankavia miankavanana): Felana Rakotomanana, Hanta Rakotoharimanana, Seheno Ranoarivony (izy telo ireo dia mpikambana ao amin'ny Fanoitra Soa) ary dia talen'ny sekoly Razariarisoa Norotahiana

Ho zaraintsika ho roa ny zavatra horesahana eto:

1. Tantaran'ny sekoly

2. Fizarana ny fanomezana

 

1. Tantaran'ny sekoly

Tantaran'ity sekoly ity: annexe ny lycée Gallieni izy io taloha vao novana hoe EPP Ankadinandriana taty aoriana. Talohan'ny annexe ny lycée Gallieni dia école de médicine io.

Io sisa no mitsangana tamin'ireo trano fony mbola "école de médicine" ary koa tao no nisy mpampianatra frantsay farany dia i madame Delande, izay nitazona ny kilasy 9ème 1. Tany amin'ny taona 1970 izany.

Tato amin'ity sekoly ity i Olivier Ralaiandrianomentsoa, mpikambana ato amin'ny Nirina e.V., no nandrato fianarana 50 taona lasa izay.

Hoy i Olivier Ralaiandrianomentsoa: Raha momba ny tantara mikasika ny EPP Ankadinandriana (Ex Lycée Gallieni), dia izao no azoko lazaina amin'ny fomba fohy sy tsotra. Anisan'ny sekoly nanana ny lazany tokoa io sekoly io tamin'izany fotoana izany, satria ny vintana (chance) hidirana ao amin'ny Lycée Gallieni (antsoina hoe Lycée Andohalo ankehitriny) dia be dia be tokoa. Raha tsorina mantsy dia ny Lycée Gallieni ho an'ny zazalahy, ary ny Lycée Jules Ferry (Lycée  Faravohitra ankehitriny) kosa ho an'ny zazavavy no tena natanjaka tamin'izany fotoana izany.

 

Ny tena marina angamba dia tamin'ireo Lycée roa ireo ny zanaky ny vahiny (vazaha/étrangers) no nandrato fianarana. Maro dia maro amin‘ireo ankizy nianatra tamin‘ireo sekoly roa ireo aza no anisan'ny miandraikitra toerana ambony amin‘ny sampana maro ary eo amin’ny lafiny betsaka any Madagasikara, na aty ampitan–dranomasina koa ary na ara-politika, ekonomika, sosialy sy ny sisa sy ny sisa.Tena nanana ny fototra tokoa ny zaza nivoaka tao amin’ny EPP Ankadinandriana tamin’izany fotoana izany.

Hoy i Olivier Ralaiandrianomentsoa: Tamin'izany fotoana moa dia teo amin'ny 25 - 30 no isan'ny mpianatra ao amin'ny kilasy iray, ary roa (2) isaky ny latabatra. Amin'izao fotoana dia dabilio iray no zarain'ny ankizy maro, ankoatry ny isan'ny mpianatra maro ao amin'ny lakilasy iray.

Ny antony dia ny mpianatra tamin'ny mbola annexe lycée Gallieni dia fière be hoe ao amin’ny annexe izy no mianatra fa tsy any amin’ny EPP. Ireo nolazaina fa sahirana mantsy no nianatra tany amin'ny EPP tamin'izany fotoana izany.

 

Manamafy izany ny lazain'i Olivier Ralaiandrianomentsoa: ny sokajin'ny mponina tamin‘izany fotoana izany dia nisy telo: ho an'ireo nanana dia nanana (classe aisée) tsy antsoiko hoe "bourgeoise", ny manaraka "classe moyenne", ary ny farany dia ireo sahirana na mahantra. Ary dia ireo sokajy roa voalohany ireo no afaka nandranto fianarana tamin'io sekoly io. Tamin'izany fotoana dia tsy nisy loatra ny antsointsika hoe "risoriso" (corruption).

 

Ankoatry ireo Lycée roa ireo dia tao koa ny Lycée hafa toa ny Lycée J.J. Rabearivelo sy ny Lycée Ampefiloha.

 

Tamin'izany fotoana moa dia tamin'ny frantsay avokoa ny fampianarana / fandaharana rehetra (matières). Ny teny malagasy (langue malgache) dia nosakajiana ho teny vahiny. Ora iray (1 heure/semaine) isan-kerinandro no misy ora fampianarana ny teny malagasy. Izany anefa tsy midika hoe tsy mahazo miteny malagasy ianao eo amin‘ny fankan- drivotra (récréation).

 

Izay sy izay angamba no azoko lazaina amin'ny fomba fohy momba ity EPP Ankadiandriana ity. Manantena aho fa hanana fara sy dimby ao amin'ny EPP Ankadinandriana hitondra sy hanana farim–piainana tonga lafatra eo amin‘ny hoaviny tsirsiray avy.

2. Fizarana ny fanomezana

Anisan'ny manahiran-tsaina ny ray aman-dreny any Madagasikara ny fidiran'ny mpianatra. Ankoatran'ny fividianana ny kojakojam-pianarana (fournitures scolaires) dia voatery mandoa ny "droit d'inscription" koa izy. 

 

Ho an'ireo fianakaviana sahirana ara-bola dia tena sakana lehibe tsy hahafahany mandefa ny zanany hianatra ireo.

 

Ny kojakojam-pianarana sy ny fandoavana ny "droit d'inscription" no fanomezana nataon'ny Fanoitra Soa sy ny Nirina e.V.

Ao anatin'ireny sachet mainty ireny kosa ireo "fournitures scolaires" nozaraina ho an'ireo mpianatra. Ny hitantsika eo amin'ny sary dia ireo mpianatra sy ny ray aman-dreniny sy ny mpikambana ao amin'ny Fanoitra Soa ary ny talen'ny sekoly sy ny mpanampy azy.

Ny sefom-pokontanin'ny Manjakamiadana koa nanampy tamin'ny fizarana ny fanomezana

I Hanta Rakotoharimanana nilaza tamin'ny telefona fa ny ao anatin’io sachet mainty io dia ireto:

  • Trousse misy 4 stylos (mainty, manga, mena ary maintso), crayons de couleur (12, ilay lehibe), 1 taille crayon, 1 gomme, 1 crayon,
  • ao anaty plastika miaraka daholo: 1 régle, 2 karazana équerres anakiroa, 1 rapporteur, 1 compas,
  • deux paquets cahier Avia.

Ny talen'ny sekoly, Razariarisoa Norotahiana, kosa dia niaraka tamin'ny mpikambana ao Fanoitra Soa nizara ireo fanomezana ho an'ireo mpianatra miisa 17.

 

Ilaina tokoa io fanampiana io mba ahafahan'ireto ankizy ireto mandeha mianatra.

 

Faly ny talen'ny sekoly sy ny fokontany Manjakamiadana fa nisy fikambanana manampy ireo sahirana ao aminy.

Hoy i Seheno Ranoarivony hoe: "Felana Rakotomanana, Hanta Rakotoharimanana sy ny zanany mianadahy farany, izaho ary i Mbolamamy Ratsiresena, izay zandrin'ilay any allemagne no nanatitra ireo fanampiana tany."

Nisy fandaminana matotra nataon'ny talen'ny sekoly sy ny Fanoitra Soa moa mba nahafahana nizara ireo fanomezana.

Hoy i Seheno Ranoarivony: "En tout cas merci Nirina e.V. nanetsika an'io fa faly be ireo bénéficiaire"

Hoy izahay aty Allemagne tamin'ny nahita ny sary hoe: „ary tena sahirana be ny fahitana an-dry zareo“ dia izao kosa no navalin’i Ando Ranjeva, izay naka ny sary sasany tany hoe: „ie, tena mampalahelo“

Jereo ny fahantrana any fa na ao Antananarivo aza dia misy an'izao! Kanefa anie ka iny toerana iny dia tanànan'ny tandapa fahizay.

Toerana manana tantara (site historique) io misy ny sekoly io ka asa raha efa tantara tokoa sisa ka resin'ny ankehitriny.

Faly tokoa ireo mpianatra sy ny ray aman-dreniny nahazo ireo fanampiana nentina.

Endrika hisehoan'ny fahantrana lalim-paka io aminay satria efa mafy ny fiainana ka tsy misy toerana ho an'ny vakoka intsony.

Ny marina dia "quartier en régression" io ka ireo tsy mahita toerana ipetrahana no makeny. Tany aloha dia nalaza maditra sy mafy loha ny nipetraka teny.

Na dia izao aza ny fahantrana mihatra amin'ny ray aman-drenin'ireo ankizy ireo dia tsy mahasakana azy izany fa vao maika mampirisika azy handefa ireo zanany hianatra fa izay no any lalana hampivoatra ny fiainana.