Lalao ampahefa-dalana voalohany (25.12.2024)
Ny lalao voalohany dia nifanandrinan'ny Beroboka Atsimo tamin'ny Beroboka Avaratra.
Ohatran'ny zokiny kokoa noho ny mpifanandrina aminy ny mpilalao avy any Beroboka Atsimo.
Hita fa mbola kely ireo mpilalao avy any Beroboka Avaratra ary tsy manao kiraro.
Ny ekipa avy Beroboka Atsimo no nandresy tamin’ny isa 1 noho 0 ny ekipa avy any Beroboka Avaratra.
Lalao ampahefa-dalana faharoa (26.12.2024)
Ny ekipa avy any Tsabora dia nandresy tamin’ny isa 2 noho 0 ny ekipa avy any Antsirabe.
Ireto ry zareo avy any Tsabora.
Ireto manao ny maillot-n'ny FC Barcelona ireto kosa ny ekipa avy any Antsirabe.
Lalao ampahefa-dalana fahatelo (27.12.2024)
Ny ekipa avy any Belamoty dia nandresy tamin’ny isa 2 noho 1, tamin’ny alalan’ny penalty, ny ekipa avy any Beroboka.
Mpilalao baolina kitra avy any Belamoty kosa ireto.
Ireto manao ny maillot-n'ny Real Madrid ireto kosa dia mpilalao avy any Beroboka.
Lalao ampahefa-dalana fahaefatra (28.12.2024)
Ny ekipa avy any Tanandava nandresin’ny tamin’ny isa 3 noho 0 ny ekipa avy any Angebo androany.
Ny ekipa avy any Tanandava no hitantsika eo amin'ny sary
Ny ekipa avy any Angebo kosa ireto
Lalao manasa-dalana voalohany (29.12.2024)
Resin’ny ekipa avy any Belamoty tamin’ny isa 3 no 0 ny ekipa avy any Tanandava ary tafakatra amin’ny lalao famaranana.
Lalao manasa-dalana faharoa (30.12.2024)
Resin’ny ekipa avy any Beroboka Atsimo ny ekipa avy any Tsabora.
Lalao famaranana (01.01.2025)
Ny ekipa avy any Belamoty no hifanandrina amin'ny ekipa avy any Beroboka Atsimo amin’ny lalao famaranana.
Es sind noch keine Einträge vorhanden.