Fanomanana ONG

Tamin'ny fiatombohan'ny volana febroary 2015 dia fantatra fa tsy voaray ho sekoly jumélé amin'ilay sekoly allemand ny EPP Ampamoha. Efa nilaza tamin'i Hyacinthe Rakotoharimanana moa izahay talohan'ny nandehanany tany Ampamoha fa raha sanatria ka tsy mety ilay "jumelage" dia hitady vahaolana hafa. Tsy natao nampiraviravy tanana anefa io tranga io fa voa maika nanome hery. Ny tsy fahalavorarin'io "jumelage" io mantsy no nanosika anay hivelatra sy hitady "partenaires" hafa.

Vahaolana

Ny vahaolana tonga tao an-tsaina moa dia ny hiara-hiasa amin'ny ONG allemand, izay manao tetikasa any Madagasikara. Nisy koa ny resadresaka natao tamin'ny namana sasany ka nanoroany hevitra toa izany. Nisy ONG vitsivitsy nandefasana email ary nanontaniana. Ny sasany tamin'izy ireny dia namaly fa tsy afaka ny hanao tetikasa vaovao satria efa manana ny azy ary araka ny statut-ny dia tsy afaka manao zavatra hafa. Ny hafa kosa dia tsy namaly na indray mandeha aza. Nisy anakiray anefa namaly ka dia io nanaovana famelabelara-kevitra tamin'ny faraparan'ny volana marsa, tao amin'ny fivorian'ny mpikambana fanaon'io ONG io isan-taona no nanaovana izany famelabelara-kevitra. Rehefa nanontaniana moa ilay tompon'andraikitr'io ONG io dia namaly izy afaka andro vitsivitsy fa tsy afaka ny hiara-hiasa aminay izy, nilaza izy fa tsara raha mamorona ONG vaovao izahay ary dia nirary soa izy. 

Nizara efatra toy izao ny fanomanana natao hatrizay:

  1. Fanomanana ny fijoroan'ny ONG ho ara-dalana
  2. Fanamboarana ny site web
  3. Fitadiavana ny mety ho famatsiam-bola misy
  4. Fitadiavana ny "partenaire de projet" any Madagasikara

Ny tanjona dia rehefa mitsangana amin'ny fomba ofisialy ny ONG dia efa afaka miasa avy hatrany.

Mety ho gaga angamba ianao mahita sy mamaky an'io sary eo ambony io. Tsara loatra io citation io ka dia nataonay ho toy ny teny fankaherezana. Raha te hanao zavatra tsara dia tsy afaka ny hiandry ho tonga lafatra na mahay ny rehetra, atomboka amin'ny zava-misy aloha izany ary avy eo mahatsara azy miandalana. Raha hiandry ny ho tonga lafatra vao hanomboka hanao zavatra dia tsy ahavita na inona na inona mihintsy. Izay ny foto-kevitra nentina namorona ity ONG Nirina e.V. ity. Tsy mijanona any ampianarana fotsiny ny fianarana zava-baovao fa mitohy foana hatraty amin'ny fiainana andavanandro koa, ary anisan'izany ity fananganana ONG ity. Mbola betsaka ny zavatra tsy maintsy nianaranay ary mbola hianaranay fa atomboka aloha ilay izy. 

1. Fanomanana ny fijoroan'ny ONG ho ara-dalana

Ny fiatombohan'ny volana aprily dia nanao fikarohana tamin'ny internet izahay hoe ahoana ny fananganana ONG eto RFA. Teo koa dia nanomboka ny nanoratra ny "statut" ary nanao famelaberana tamin'ireo olom-pantatra izay noheverina fa mety afaka hanampy amin'ny hanangana ny ONG. Tsy nazoto anefa ireny olona ireny nohon'ny antony samihafa ka nitady olon-kafa indray. Nisy namana izay efa mpikambana amin'ny ONG nanoro hoe "asaivo jeren'ny contribution (fisc) ilay statut raha mety" dia natao izany ka ny tapaky ny volana aprily, afaka tapa-bolana taty aoriana dia nahazo valiny fa mety ilay izy. Nisy kosa namana iray, izay efa namorona ONG hafa momban'ny Vietnam sy Indonezia no namaky ilay statut ary nahita fa misy lesoka ilay izy. Nanao toro-hevitra marobe io namana io ka nasiana fanovana ilay statut.

 

Faraparan'ny volana aprily dia feno ireo folo ireo olona nazoto ny hanangana ilay ONG. Na dia mipetraka amin'ny tanana samihafa eto Allemagne ary izahay dia tsy olana satria misy amin'izao fotoana "Conférence par vidéo" (ohatra ny Skype) ahafahana miresaka, ankoatran'ny facebook, email, whatsapp, sms ary ny telefona. 

Raha ny faniriana dia saika ny faraparan'ny volana mey no hanaovana ny fivoriana hananganana ny ONG fa tsy tanteraka io satria nisy mpikambana tsy maintsy nandeha haingana tany Madagasikara namonjy ny havany narary ka ny 7 jiona vao raikitra izany. Sarotra moa ilay mitady fotoana mety ho an'ny rehetra fa natao izay rehetra azo natao mba nahafahana nivory tamin'io andro io, mba ahamora ny fivoriana dia natao conférence par vidéo (Skype) ilay izy. 

 

Nisendra olana ny fananganana satria andro vitsivitsy taorian'io 7 jiona io dia nigrevy ny mpiasan'ny paositra taty RFA. Tsy mbola nahita grevy lava ohatran'izany izahay taty satria efa iray volana mahery vao vita. Noho io grevy io dia betsaka taratasy tsy tonga tany amin'izay nandefasana azy. Nisy taratasy tsy maintsy nosoniavin'ny mpamorona ny ONG moa ka tsy tonga izany raha tsy efa roa volana mahery taty aoriana. Izahay dia efa nihevitra fa very ilay izy ka namerina nandefa ilay taratasy indray rehefa tapitra ny grevin'ny mpiasan'ny paositra.

 

Ny olana faharoa dia sendran'ny fotoanan'ny fiala-tsasatry ny mpianatra sy ny fanaovan'ny mpiasa congé io fotoana namoronana azy io ka dia nihemotra ny fanoratanay azy tany amin'ny notaire. Ny 25 aogositra no natao izany fanoratana ilay ONG tany amin'ny notaire izany.

2. Fanamboarana ny site web

Ny volana aprily io koa no nanomboka nampiana-tena amin'ny fanamboarana site web izahay. Nisy ny namana informaticien nanome boky hovakiana, ny hafa nanome toro-hevitra madinidinika, nijery vidéos maro tao amin'ny youtube koa izahay satria nilaina daholo ireny rehetra ireny. 

 

Anisan'ny asa lehibe moa ny famoronana site web satria raha ny statistika navoakan'ny Banky Iraisampirenena tamin'ny taona 2014 no jerena dia 87%-n'ny mponina no mampiasa internet aty RFA. Anisan'ny "carte de visite" ho an'ny fikambanana izany ny site web aty. Marobe ny zavatra tsy maintsy fantatra momba izany.

 

Anisan'ny tanjona ny fampidirana ny fampafantarana an'i Madagasikara ao amin'ny site web satria marobe amin'ny olona mipetraka aty RFA no tsy mahafantatra akory izany Madagasikara izany. Ny hany fantatry ny olona aty dia ilay film Madagascar sy ilay hiran'ny tatsambo allemand hoe "Wir lagen vor Madagaskar". 

 

Tsy nohadinoana koa ireo olona mahay teny Malagasy sy Frantsay, eny fa na tsy mipetraka aty Allemagne aza izy ireny. Ankoatran'izany dia misy pejy maro amin'ny teny Alema ao amin'ity site web ity.

3. Fitadiavana ny mety ho famatsiam-bola misy

Tsara ny mampatsiahy fa tamin'ny tapaky ny volana febroary dia efa nitady ny fomba famatsiam-bola ilay tetikasa momban'ny sekoly izahay, ary izany dia naseho tamin'ilay ONG saika niarahana niasa. Mbola nitohy izany taty aoriana, ary anisan'ny nanampy anay tamin'ny toro hevitra ireto olona ireto: Heinz Rothenpieler sy Bernd Blaschke. Izy roa lahy ireo moa dia samy mpikambana ao amin'ilay ONG Lernen-Helfen-Leben e.V. ka isaorana azy izany. Nisy koa ny fikarohana tao amin'ny internet nataonay.

4. Fitadiavana ny partenaire de projet any Madagasikara

Azo lazaina fa nenti-kafanapo i Hyacinthe Rakotoharimanana tany amboalohany dia nilaza fa vonona ny hanampy ary hanangana fikambanana izay hiara-hiasa amin'ny Nirina e.V. any Madagasikara. Rehefa nandeha teny anefa ny resaka, izay matetika tokoa na an-telefona io na amin'ny alalan'ny email sy sms dia tsapa fa tsy manana fotoana hanaovana an'izany izy. Tsy anomezan-tsiny azy akory izany fa zavatra mety miseho. Marina fa betsaka ankehitriny ny vaovao hita amin'ny facebook sy internet momban'ny Madagasikara fa tsy mbola ampy ihany ireny ahazoana sary an-tsaina ny fahasarotana sy ny fahamafisan'ny fiainana any Madagasikara.

 

Noho izay antony izay dia mbola eo ampikarohana fikambanana malagasy na ONG malagasy izahay hiarahana miasa. Efa misy olona sy fikambanana vitsivitsy nanontaniana fa ny tena valin-teny hoe ENY VONONA IZAHAY no mbola tsisy. 

Famaranana

Raha jerena ny fotoana dia efa sivy volana izay no lasa kanefa mbola tsy tafatsangana ara-dalana ihany ilay ONG Nirina e.V., tsy atao mahakivy anefa izany satria tsy mora ny manao zavatra. Raha ny sitrapo sy ny faniriana dia tsy ho ela be toy izao saingy miankina amin'ny zavatra maro ny fananganana azy fa tsy vitan'olon-tokana, ankoatra izay tsy tokony adinona fa ny tanjonay dia hoe tonga dia ahafahan'ny ONG manao tetikasa raha vao mijoro ofisialy izy. Ho hitantsika eo ny tohiny.

Kommentar schreiben

Kommentare: 1
  • #1

    TODISOA ANDRIANIRINA (Freitag, 25 Oktober 2019 09:06)

    POPULATION MALAGASY Manana vina hanangana ONG eto Madagasikara
    ONG pour le développement durable