Ny dia tany Ampamoha

Tamin’ny volana desambra 2014 dia nisy sekoly iray taty Allemagne nitady sekoly malagasy mba hanaovany "jumelage". Ny volana janoary 2015 dia tapaka ny hevitra fa ilay EPP any Ampamoha, Anjozorobe no atolotra. Nirahana nankany Ampamoha i Hyacinthe Rakotoharimanana ny 7 janoary 2015 mba haka sary sy hanontany ny mponina any momba io sekoly io. Nila fanomanana izany ary mbola fotoanan’ny orana satria tao anatin'ny fandalovan'ny rivo-doza Chedza tany Madagasikara tamin'io ka dia afaka andro vitsivitsy i Hyacinthe sy ny namany vao afaka nankany Ampamoha. 

Anjozorobe

Tsy maintsy mandalo ao Anjozorobe moa vao afaka mankany Ampamoha. Toy izao ny mombamomba an'ny kaominina Anjozorobe. 90Km avaratra atsinanan'Antananarivo amin'ny lalana RN3 (ny taona 1977 no vita goudron io lalana io) no misy any Anjozorobe ka misy fokontany 24 amina velaran-tany 512Km², misy 24800 mponina eo ka ny 7000 amin'izany dia monina ao amin'ny tampo-tanan'Anjozorobe.

Mpamboly sy mpiompy ny 80%-n'ny mponina ao ary ny 20% dia manao asam-barotra sy asa hafa. 

Foto-drafitrasa misy ao Anjozorobe:

  • Fampianarana: 3 Lycées - 5 CEG - 38 EPP
  • Fahasalamana: 1CHD (centres hospitaliers de district) - 2 CSB II - 2 CSB I (centres de santé de base)
  • Fandriampahalemana: "Poste avancé de la gendarmerie nationale"
  • Misy jiro sy rano 
  • tsy manana seranam-piaramanidina
  • misy "réseau téléphonique" sy "Internet" : Airtel 
  • Banky: BOA

Raha amin'ny maha-distrika azy kosa dia misy kaominina miisa 18 ao anatiny

Ny distrikan'Anjozorobe dia mamokatra tongolo 9490 tonnes isan-taona, vary 65578 tonnes isan-taona, tsaramaso 9818 tonnes isan-taona, anarivo tonnes-na legioma isan-taona. Ny mampitaraina ny mponina any dia faharatsian'ny lalana ka mahasarotra ny mamoaka ny vokatra. Ny mpamboly dia tsy afaka mametra ny vidin'ny vokatra araka izay tiany fa voatery manaiky ny vidiny tian'ny mpanango-bokatra. Tsy mahazo tombony firy ny tantsaha noho antony io. Ny mpitatitra sy ny mpanango-bokatra no mahazo tombony betsaka amin'ny heri-pon'ny tantsaha raha izay no jerena. Ankoatran'ny lalana mankany Antananarivo izay vita goudron dia ratsy be daholo ny lalana makany amin'ireo kaominina miisa 17.

Isaky ny alakamisy ny tsena ao Anjozorobe, ny tsena moa dia anisan'ny toerana ifaneraseran'ny mponina any. Hatramin’izay dia tonga miantsena any Anjozorobe ny mponina any Ampamoha, rehefa tsisy camion mandalo dia mandeha tongotra ny olona. Mividy sira, siramamy, kafe, labozia, afokasoka, hena, sns… toy izany koa raha misy marary na bevohoka dia entina any Anjozorobe ka rehefa tsisy ny tômôbila hitondra azy dia lanjaina na entina amin'ny sarety. 

Lalana mankany Ampamoha

I Hyacinthe Rakotoharimanana (eo amin'ny sary ankavia) sy ilay namany (eo amin'ny sary ankavanana) nakany Ampamoha. Nahafapo anay ny asa nataon'i Hyacinthe tany na dia nisendra fahasahiranana ihany aza izy sy ilay namany nohon'ny faharatsian'ny andro tamin'io fotoana io. Eo amin'io vato (sary ankavanana) dia manondro ny lalana makany Ampamoha sy lalana makany Antsahabe, izay misy ireo Hotel anakiroa: Saha Forest Camp sy Mananara Lodge. Nanaitra anay io sary eo ankavanana io, sady tsara ilay izy no koa manome "information" koa satria tany aloha tany dia mbola tsy nisy an'ireo "hotel" ireo tany an-toerana. Taorian'ny fikarohana kely nataonay tamin'ny internet dia niresaka an-telefona tamin'i Hyacinthe izahay satria nalainy fotsiny ireo sary ireo fa tsy noheveriny fa hanaitra anay.

Anisan’ny mahaliana ny mpizaha-tany makany amin’ireo hotel any Antsahabe ireo dia ny mijery ireo karazana biby maro, indrindra fa rehefa amin’ny alina.

  • 9 ny isan'ny karazan'ny gidro misy any ary anisan'izany ny Indri indri,
  • 74 ny isan'ny karazan'ny vorona
  • 26 ny isan'ny karazan'ny "micro-mammifères",
  • 38 ny isan'ny karazan'ny "amphibiens",
  • 36 ny isan'ny karazan'ny bibilava
  • 75 ny isan'ny karazan'ny vonikazo "orchidées". 

52 000 hektara no misy ireo biby ireo ka ny 28 000 hektara dia ala ireny antsoina hoe "forêt primaire". Nanomboka tamin'ny desambra 2005 no toerana voaaro io toerana io (antsoina hoe: "aire naturelle protégée")

Araka ny efa voalaza ery ambony dia tsisy vita "goudron" ny lalana makany amin'ireo kaominina 17 ao anatin'ny distrik'Anjozorobe. Ireo amin'ny sary eo ambony ireo ny endriky ny lalana avy any Anjozorobe makany Ampamoha. Fijaliana ho an'ny mponina any io faharatsian'ny lalana io, indrindra fa amin'ny fotoanan'ny orana. Camion mpaka hazo any an'ala (hazo amidy eny amin’ny tsenan’Andravoahangy) no matetika mampiasa an'io lalana io, ankoatra ireo mponina efa manana fiarakodia any. Raha ampitahaina ny tany amin'ny taona 80 tany ny zava-misy momba an'io lalana io dia tsisy fiovana firy. Mbola "camion Mercedes 4x4" miloko maintso no mpakany, ohatran'izao koa ny aratsin'ny lalana tany amin'ny taona 80 tany. 10 km mialan'Anjozorobe no misy an'Ampamoha, raha mandeha haingana ny mpandeha tongotra dia vita ao anatin'ny adin'ny roa izany, mbola milanja na miloloha entana anefa amin'izany. Azontsika an-tsaina angamba ny fahasahiranana amin'izany. 

 

Ny mponina any amin'ireny toerana ratsy lalana ireny dia manofinofy hoe indray andro any dia mba ho vita tsara ny lalana mankany aminy. Tamin'ny fitondran'i Marc Ravalomanana dia niezaka ny nanamboatra ny lalana manerana an'i Madagasikara izy saingy nisy ireo mpanao politika tsisy saina nanaratsy hoe: "ny lalana angaha azo hohanina" Io lalana ratsy any Madagasikara io anefa dia anisan'ny vato misakana iray amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara. Vitsy ny mpampianatra sy mpitsabo te hiasa any amin'ireny toerana ireny. Sarotra ny mamoaka ny vokatra, hany ka mahantra ny tantsaha. 

 

Rehefa tonga ny fotoanan'ny propagandy mipoapoaka ny fampanantenana fa hamboarina ny lalana saingy mijanona fampanantenana daholo ireny, rehefa mahazo toerana ny mpanao politika dia mangina.

 

Na ireo "camion mercedes 4x4" mpaka hazo, izay mandeha amin'iny lalana iny aza dia tena sahirana. Tamin'io dia tany Ampamoha io izao dia nisy "camion" nivarina tany an-kady raha hiakatra an'Andilanikarama satria nalama be ny lalana. Mampiasa ny fahaizany rehetra ny mpamily rehefa mandeha amin'ny andro fahavaratra fa misy matetika ny loza tsy ampoizina na hoe matanjaka aza ny fiara entiny.

Tananan'Ampamoha

Ampamoha toa tanana zary mitoka-monina nohon'ny faharatsian'ny lalana mankany. Ohatran'izao hitantsika amin’ny sary izao ny endriky ny tanan’Ampamoha raha jerena avy eny ambony, misy hady roa sosona manodidina azy. Io hady io dia natao ho fiarovana ny tanana tany aloha elabe tany. Tamin'ny faran'ny taona 70 dia efa noravana io hady io ka natao azon'ny tômôbila handehanana, noravana koa ny vavahadin'ny tanana, izay ohatran'ireny vavahadin'ny Rovan'Ambohimanga ireny mba ahafahan'ny fiara miditra ao an-tanana.


Eo amin'ny ankivia etsy amin'ilay sary eo ambony io no misy ilay EPP Ampamoha, eo akaikin'ny lalana ary ety ivelan'ny tanana.


Taloha dia tao antanan'Ampamoha no namorona ny tranony ny mponina saingy ankehitriny kosa dia efa mitombo ny isan’ny mponina ao ka efa maro ireo namorona trano any ivelan’ny tanana toy ireo hitantsika etsy ambany.

Ny olona teraka tamin'ny faran'ny taona 50 sy ny 60 no azo lazaina fa zokiolona ao amin'ny tananan'Ampamoha ankehitriny. Maro amin'izy ireny no efa manan-jafikely. Ny zanak'izy ireny raha manambady eo an-tanana dia efa mivoaka any ivelany fa efa feno trano ny tanana. Misy izao ny hoe Atsimon-tanana, ankoatran'ny any Ambany Atsimo izay efa be tanana koa. Misy koa ny Andrefan-tanana misy trano maromaro. Misy ny Avara-tanana ambonin'ny arabe ny fiangonana FPVM, eo ambany kosa misy tanana maromaro. Misy ny hoe Andafy Atsinanana izay miroborobo tokoa satria dia eny no feno tanana. Eo ambanin'ny fasana Antsangamaro dia efa misy trano, mifanatrika amin'ny tananan'Ampamoha izy io.  Misy tanana kely niforona maro manodidina ny Ampamoha.

Mpamboly sy mpiompy ny mponina ao Ampamoha. Mbola kitay no ampiasaina handrahoana sakafo. Misy koa ireo olona manao saribao ka amidy any Antananarivo.


Rehefa misy olona mamono omby ao an-tanana dia miezaka mividy ny mponina ka izay tsy mana-bola dia mandoa izany amin’ny vary. Efa soratan’ny mpivarotra ao anaty kahie ka rehefa tonga ny fararano dia omen’ny mpividy ny takalon’ny hena. Raha te hihinan-kena dia tsy maintsy mividy any Anjozorobe rehefa alakamisy. Ny fomba fitehirizana ny hena dia atao kitoza dia hamainina.


Fambolena vary sy mangahazo no misy ary fiompiana omby no tena antom-pivelomany. Ny fiompiana akoho dia tsy misy firy ankehitriny, tamin'ny taona 80 dia samy niompy akoho maro ny tokantrano tsirairay. Tamin'izany fotoana izany no efa nalaza fa misy kary ilay hady manodidina ny tanana ka mihinana ny zanak'akoho. Tsy hay hoe izay ve ny antony tsy mampisy firy intsony ny fiompiana akoho ao? Raha oharina ny tamin'ny taona 80 koa dia efa maro no manana sarety izay itaomana vary rehefa fararano. Tsy afaka mivelatra loatra eo amin'ny fambolena satria tsisy lalam-barotra fa izay ho hanina sy kely amidy eo an-tanana ihany no vokarina ankoatra ny vary. 

Tany amin'ny taona 70 sy 80 dia olona iray, izay teraka tao Ampamoha ka niasa tany Antananarivo no mba nanana tômôbila simca P60 tao fa saingy ankehitriny kosa anefa dia efa misy ihany ireo olona ao Ampamoha manana tômôbila 4x4 (io amin'ny sary io ohatra). Efa misy koa épicerie anakitelo ao an-tanana saingy vitsy entana izy ireny ka voatery ihany ny mponina miantsena any Anjozorobe. Raha mijery ny sary isika dia mahita fa misy trano mitafo bozaka ary ny sasany mitafo fanitso, azo lazaina mana-karena ny olona manana tafo fanitso.

 

Misy olona mipetraka ao an-tanana manao Moto-taxi mampitohy an’Anjozorobe sy Ampamoha, moto-taxi io dia efa fahita matetika any Azia sy Afrika.

 

Anisan'ny asa nasaina nataon'i Hyacinthe sy ny namany tamin'ity dia ity moa ny mba haka ny antontan'isa momban'ny fokontany Ampamoha saingy tsy teo an-toerana ny tompon‘andraikitra tamin'io fotoana io. Ny vokatry ny fikarohana natao tao amin'ny internet kosa no nahafantarana fa miisa 802 ny mponina ao amin'ny fokontany Ampamoha araka ny fanisana tamin'ny taona 2007. Ny fokontan'Ampamoha dia ao anatin'ny kaominina Ambongamarina ary ao amin'ny distrikan'Anjozorobe. 

Somary nisendra olana ihany ny dia, hoy i Hyacinthe, satria dia nijojo tokoa ny orana na andro na alina tsy mitsahatra mihintsy. Ny zoma io no nanomboka izany hatramin'ny alatsinainy. Noho izany dia vitsy ny sary azo. Teo koa ny olana tamin'ny fakan-tsary fa lany charge tampoka. Sarotra dia sarotra ny ni-chargé azy satria panneau solaire no ni-charge-na azy nefa tsisy masoandro mihintsy. Tsy manana jiro ny ao Ampamoha sy ireo tanana manodidina azy saingy kosa efa misy ireo olona manana panneau solaire kely mba ahafahany mamaha ny pile-na radio na finday na dia ratsy be aza ny réseau any. Efa betsaka moa ny mpivarotra sinoa mivarotra ireny panneau solaire ireny any Madagasikara. Tsy azo sary ilay fiaimpiainan'ny olona andavanandro. Noho ny orana mifafy be dia tsy nisy koa ny fananganan-tsaina tao an-tsekoly. Tsy azo tsara koa ny tananan'Ampamoha. 

 

Ity resaka panneau solaire ity dia nanaitra anay taty Allemagne satria noheverinay fa mbola tsisy an'izany any Madagasikara. Tsy tao an-tsain'i Hyacinthe moa ny naka sary an'izany ka voatery izahay nijery sary tao amin'ny internet. Efa nijery ny tetikasa ataon'ny ONG maro any Afrika izay fa anisan'ny atao any ny fanaparitahana ireny panneau solaire kely ireny. 

Efa tongan’ny rano madio fisotro ao amin’ny tananan’Ampamoha. Tamin’ny 26-04-1996 no vitan’ny ONG FiKriFaMa ny fampidirana rano ao an-tanana. Sinibe-drano izao ilay hitantsika eo amin’ny sary ankavia io. Avy amina farihy namboarina no haka io rano io izay any amin’ny 2 km miala ny tanana. Tsy vaovao ao Ampamoha io fitariahana rano io fa efa nisy tao. Efa tany 1900 no nitarihana rano avy any amin'io farihy io ka lakan-drano kely no handehanan'ny rano, toy ireny fitarihan-drano tamin'ny andron'ny fanjakana romanina tany Italia ireny ilay izy fa saingy kely no tsy rano fisotro madio satria tsy maintsy ampangotrahana aloha vao azo sotroina. Ary teny akaikin'ny tanana ny fantsakana, tsisy sinibe-drano ohatran'io hitantsika io tamin'izany fa mandeha mikoriana foana ny rano.

Misy pômpy anakitelo ao an-tanana ary pômpy iray kosa izay hitantsika eo amin’ny sary io dia ao amin’ny EPP Ampamoha. Ny tsara ho marihana fa na efa ho roapolo taona aza ny nahavitan’io foto-drafitasa io dia mbola mandeha ary voakolokolon’ny mponina. Rehefa hitan’ny mponina fa tena ilainy ny zava-bita dia tsy simbainy iny. Ny tsy maintsy ataon’ny mponina ao Ampamoha dia ny mividy ny produit chimique anadiovana io rano io ho tonga ho rano fisotro sy mahasalama.

Anjara asan'i Hyacinthe Rakotoharimanana

Io ambony io ny fanontaniana nomanina ary nomena an'i Hyacinthe. Ny asa nasiana nataon'i Hyacinthe sy ilay namany tany moa dia ny haka sary betsaka araka izay azo atao momban'ny Anjozorobe, ny lalana, sekoly, tananan'Ampamoha, mpianatra, mpampianatra, asa andavanandron'ny mponina. Ankoatra izay dia ny mitady ny valin'ireo fanontaniana ireo. Ilay Tale tao amin'ny sekoly moa no namaly ireo fanontaniana tao anatin'io taratasy io. Dingana voalohany iny nataon'i Hyacinthe sy ny namany iny fa rehefa tapaka ny hevitra fa hanao tetikasa any Ampamoha dia tsy maintsy mampivory ny mponina ao Ampamoha. 

EPP Ampamoha

Ito ambany ito ny sarin'ilay sekoly ao Ampamoha. Misy efitra roa izy io

Tany aloha dia nianatra tany Amboroihazo ny ankizy tao Ampamoha, eo amin'ny adin'iray mahery eo ny dia-tongotra ataon'ny mpianatra makany ary toy izany koa rehefa miverina mody. Tamin'ny 1979 dia vita io EPP Ampamoha io ary tamin’ny 1982 vao nisokatra ka nahazo alalana tamin’ny fanjakana, marihana fa ny mponina ao Ampamoha no nanangana azy fa tsisy volan’ny fanjakana. Manahirana ny manao zavatra any Madagasikara fa milona loatra ny fahazoana taratasy, izany koa dia anisan'ny tsy mampandroso an'io Madagasikara io.

 

Hatramin'ny niorenan'io sekoly io hoy i Hyacinthe dia tsy mbola nikatona mihintsy io EPP io fa misy mpianatra foana. Kilasy 12e ka hatramin'ny 7e no misy ao. Any Anjozorobe ny ankizy no mandeha raha te hanohy fianarana. 

 

Hoy i Hyacinthe hoe: "tanana efatra no mandefa ankizy hianatra ao amin'ny EPP Ampamoha. Mandriazaza no tanana farany lavitra mampianan-janaka ao, tokony eo amin‘ny 3km miala ny sekoly eo ho eo. Efa nivelatra moa ny tananan'Ampamoha ka ireo tanana ivelan'Ampamoha no manampy ao."

Tranon’ny mpampianatra (eo sary ankavia, ary zanaky ny direktera ilay ankizy eo ambaravarana), ny eo akaikiny io (ilay hitantsika eo amin'ny sary ankavanana, aorian'io olona telo) dia hatao prescolaire, izay vao ho sokafana @ ity taona ity. Raha atao mazava kokoa dia mifanilambodirindrina ireo trano anakiroa ireny. Ny Tale irery ihany no mipetraka eo amin'ny sekoly.

 

Ny nanaitra amin’ity sary ity koa dia efa manao akanjo jeans ny olona any ambanivohitra any, tsy ohatran’ny taloha. Rehefa nanontany ny olom-pantatra sy i Hyacinthe izahay dia nohon’ny fahabetsahan’ny fripperie no antony. 

 

Ankoatra ireo trano fonenana ny tale sy ny trano fianarana dia misy trano mbola tsy vita ary misy trano efa nianjera tamin'ny cyclone tany aloha tany tsy vita. 

Trano ravan‘ny cyclone, izay nipetrahan'ilay direktera taloha ity hitantsika amin'ny sary ity. Efa 2 taona lasa izay no efa nangatahana fanampiana tany amin'ny fanjakana ny hanamboarana io trano ravan'ny cyclone io fa hatramin'izao dia mbola tsisy valiny foana.

Tsy fantatra ny antony tsy nahavitana an‘ity trano ity, adinon'i Hyacinthe ny nanontany ny momba an'azy. 

Mety ho gaga angamba isika mahita ireo sary anakiroa eo ambony ireo. Nasaina nalain'i Hyacinthe ireo sary ireo mba ampisehoana ny olona mipetraka aty Allemagne hoe ohatran'ireo ny WC any ambanivohitra any. Misaraka ny (WC) kabonen'ny lahy sy ny vavy.


Rehefa nanontaniana ireo mpampianatra tao amin'io EPP Ampamoha io dia nilaza fa: "efa nahazo fanampiana ny sekoly: caisse école, SEA, FCL avy tamin’ny fanjakana, vola 450.000Ar nanaovana réparation école, nividianana fourniture école. Tsy misy ny mahafapo fa izay azo tsinjaraina."

Araka ny hitantsika eo amin'ireo sary eo ambony ireo dia efitrano iray no ampianarana ny kilasy T1 sy T2 ary efitrano hafa kosa T3 sy T4 ary T5. Samy miaraka amin'ny mpampianany izy ireo.

 

Ny sekoly dia miorina eo amin'ny tany 2000  eo ho eo. 5 taona ny fetra ny taonan’ny ankizy raisina hiditra hianatra ao amin’ny kilasy T1.

  1. Directeur: Rakotoarimanana Jean Aimé, 39 taona mitana ny kilasy T1 sy T2
  2. Randriambolason Jean, 26 taona, mitana ny kilasy T3, T4 ary T5

Niezaka namaly ny fanontaniana rehetra napetraka taminy ny Tale, ary isaorana azy izany. Ireo mpampianatra ireo dia FRAM, izany hoe ny ray aman-drenin'ny mpianatra no mandoa ny karamany fa tsy ny fanjakana akory.

  • T1: 12 mpianatra
  • T2: 10 mpianatra
  • T3: 10 mpianatra
  • T4: 12 mpianatra
  • T5: 4 mpianatra

48 ny totalin'ny isan'ny mpianatra ka 21 ankizy lahy ary 27 kosa ny ankizy vavy. Ny anisan'ny nahataitra ireo allemand naseho ity sary ity moa ny hoe miaraka mianatra ny lahy sy ny vavy fa tsy misaraka no koa mitovy lanja fa tsisy fiangarana hoe ny ankizy lahy no tokony hahavita fianarana lavitra koa, izay fahita any amin'ny firenena sasany. 90% tahan'ny fisondrotan'ny ankizy kilasy.

Ny teny Malagasy sy Frantsay no teny enti-mampianatra. Tsy manana cantine ny sekoly satria tonga dia mody ny mpianatra rehefa vitany fianarana isan'andro. Dimy andro ao anatin’ny herinandro no ianaran’ny mpianatra. Amin’ny 7h30 – 13h00 ny ora fianarana. Tsy manana bibliothèque ny sekoly saingy kosa mampiasa ireto boky manaraka ireto:

  • livre d‘apprentissage
  • Curriculum
  • Nouveaux manuels

Eo amin'ilay sary ankavanana dia misy famataranandro izay mandeha pile. Nohon'ny fahabetsahan'ny entana vita sinoa amidy any Madagasikara no antony, azo lazaina fa mora lavitra ny famataranandro ohatra ireny nohon'ny famataranandro fahanana. Tany amin'ny taona 80 tany dia tsy mbola nisy ny famataranandro toy ireo fa ny mpampianatra no manana famataranandro eny amin'ny tanany.

 

Nilaza ny olana misy amin’ny sekoly mandritra ny taom-pianarana eo amin'ny sekoly ny tale:

  • Tsy fisian’ny serasera ifandraisana
  • Fahabetsahan’ny mpianatra manapatapaka (absent)
  • Faharatsian’ny fotodrafitrasa iasana sy onenana
  • Tsy fahampian’ny fitaovana iasana sy fampiasa (enti-mampianatra)
  • Tsy fahampian’ny mpampianatra, mpampianatra iray mitana kilasy roa na telo
  • Fahateran’ny efitrano ianarana

Ireo cartes hitantsika eo amin'ny rindrina ireo dia nozaraina tamin'ny fitondran'i Marc Ravalomanana. Tamin'izany fitondrana izany koa no nisy fizarana Kit-scolaire farany. 

 

Rehefa vacances ny mpianatra dia manampy ny ray aman-dreniny amin’ny asa fambolena sy fiompiana.

 

Nisy allemand nahita ity sary ity taty dia nanontany hoe "f'angaha tsy voarara ny tsy fanaovan'ny ankizy kiraro any aminareo any Madagasikara?" 

Hoy i Hyacinthe hoe: "toy ny EPP rehetra dia mandoa droit eo ampidiran'ny mpianatra amin'ny fiandohan'ny taom-pianarana. Misy kosa anefa ny fanefana ny karaman'ny mpampianatra karamain'ny FRAM. Efa voafaritra mialoha io araka ny fifanarahan'ny ray aman-dreny eo amin‘ny fivoriana ka misy ny famerana raha vola no aloa na vary. Ao anatin'ny taom-pianarana no handoavana io. Misy ihany anefa tsy mahefa ny adiddiny mandritra ny taom-pianarana fa mialohan'ny fidirana izy no nanefa izany. Ny zanaka am-pielezana no any mba manao fanampiana io sekoly io. Isan-taona dia toa misy foana io. Mety tsy mahavaly ny filana fa araka izy tratra ihany anefa izany." 

Araka ny nolazain'ilay tale dia manana rano fisotro madio io sekoly io fa tsisy jiro. Manao gym ny mpianatra, tsy misy taranja ara-panatanjahan-tena manavanana ny mpianatra. Misy ny fifaninana ara-panatanjahantena karakarain’ny sekoly fa tsy misy mandray anjara. Ary nanana zaridaina ny sekoly teo aloha. I Hyacinthe no nilaza fa efa maro ankehitriny ny zanak'Ampamoha no manohy fianarana eny amin'ny université d'Antananarivo.

Famitinana

Nohon'ny toerana misy ny tananan'Ampamoha dia sahirana ny mponina ao satria azo lazaina fa mitoka-monina. Ratsy ny lalana makany, sarotra ny mamoaka ny vokatra, afaka manararaotra ny mpanangom-bokatra. Tsy maintsy mandeha lavitra raha te hitsabo tena sy hanohy fianarana. 


Raha te hanampy ny mponina ao Ampamoha dia tsy misy vahaolana afa tsy ny fanontaniana azy ireo hoe inona marina no tena ilainy maika. Efa hitantsika amin'ilay fampidirina rano fisotro madio io fa rehefa lahatra sy hitany fa tena ilaina ny zavatra atao dia kolokoloiny izany.


Toro hevitra nomen'i Hyacinthe moa nony avy any Ampamoha izy dia ny hoe: "Tsara ho jerena mialoha koa ny fitantanana sy ny tatitra ara-bola raha misy ny eritreritra ny hanampy io sekoly satria vitsy manko ny personnel ary matahotra mandray andraikitra ny ray aman-dreny."

Kommentar schreiben

Kommentare: 1
  • #1

    Hyacinthe (Freitag, 11 September 2015 14:58)

    Tsara tokoa lay pejy sady miaraka amin"ny fanazavana samy hafa . Manantena aho fa maro no liana amin'ny zava-misy toa izao .